Nanomboka ny 16 Desambra 2024 , ny Direction de l’Apprentissage et de la Formation Initiale (DAFI) ao amin’ny Ministera dia nanatanteraka atrik’asa niarahana tamin’ireo talen’ny toeram-pampiofanana, misehatra amin’ny secteur Textile Habillement et Accessoires (THA) miisa 37 sy ny « Responsables en Insertion et Orientation » an’izy ireo.
Tafiditra anatin’ny fanatanterahana ny « Politique Nationale de l’Emploi et de la Formation Professionnelle » izay iarahan’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa amin’ny alalan’ny projet Better Education for Africa’s Rise (BEARIII ) an’ ny UNESCO. Marihina fa aharitra dimy andro ity fampiofanana ity ary tanterahana eo anivon’ireto toerana ireto: ANTANANARIVO –ANTSIRABE ary FIANARANTSOA
Tanjona ny ananganan’ireo toeram-piofanana tetik’asa hahafahany manatsara ny kalitaon’ny Fampianarana sy hampiroborobohana ny fiaraha miasa amin’ireo mpiaramiombon’antoka.
Tonga nanokatra ny fotoana ny Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa ao amin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra ary Matsiatra Ambony.