𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟓 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐀 𝐆𝐎𝐕𝐄𝐑𝐍𝐎𝐑𝐀 𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐓𝐎𝐀 𝐋𝐔𝐂𝐈𝐄𝐍 𝐑𝐀𝐙𝐀𝐅𝐈𝐓𝐒𝐎𝐓𝐑𝐀
Notanterahina tamin’ny fomba manetriketrika ny fankalazana ny faha-5 taona naha Governoran’ny Faritra Fitovinany an’Andriamatoa Lucien Razafitsotra, izay notronin-dRamatoa Minisitra RASOLOARISOA Marie Marcelline, niaraka tamin-dRamatoa Nadine Adrianasolo, Solombavambahoaka voafidy ao amin’ny Distrikan’ny Manakara Questeur Numéro 2 sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.
Ny 27 febroary 2020 no napetraky ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Andry RAJOELINA, tamin’ny toerana maha Governora azy Andriamatoa Lucien Razafitsotra. Tao anatin’izay dimy taona nitondrany izay dia naneho fahavononana sy finiavana amin’ny fampandrosoana ny faritra izy, tamin’ny alalan’ny:
- Fampiroboroboana ny fotodrafitr’asa
- Fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny fahamarinan-toerana
- Fampivoarana ny sehatra ara-toekarena sy ara-tsosialy amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka
Ny fanoloran-tenany sy ny ezaka nataony dia nisy fiantraikany lehibe amin’ny fiainam-bahoaka, ka nampisandratra ny Faritra Fitovinany amin’ny lafiny maro.













