𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐇𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐒𝐎𝐋𝐎𝐀𝐑𝐈𝐒𝐎𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐈𝐄 𝐌𝐀𝐑𝐂𝐄𝐋𝐋𝐈𝐍𝐄 𝐀𝐎 𝐈𝐇𝐎𝐑𝐎𝐌𝐁𝐄
Tao anatin’ny dian-dRamatoa RASOLOARISOA Marie Marcelline; Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, tao amin’ny faritra Ihorombe, distrikan’i Ihosy, dia nanatanteraka hetsika maro izy niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra teo an-toerana.
- Fitsidihana ny Centre AFF – Nijery sy nijerena akaiky ny zava-misy amin’ny fanofanana arak’asa ho an’ny tanora.
- Fitsidihana ny Foyer des Jeunes, Saint Vincent de Paul – Nifampizara sy nandinika ny fivoaran’ny fiofanana sy ny fiahiana ny tanora.
- Fihaonana tamin’ireo Ben’ny Tanàna vaovao ao Ihorombe – Fifampidinihana amin’ny fomba hampiroboroboana ny fanofanana arak’asa ho an’ny tanora ao amin’ny kaominina tsirairay.




























