𝟏𝟎 𝐅𝐞𝐛𝐫𝐨𝐚𝐫𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟓 – 𝐅𝐢𝐡𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐖𝐃𝐓
Nihaona tamin-dRamatoa Minisitra Marie Marcelline Rasoloarisoa , ny tompon’andraikitra ambony avy amin’ny 𝑨𝑾𝑫𝑻 (𝑨𝒅𝒗𝒂𝒏𝒄𝒆𝒅 𝑾𝒂𝒕𝒆𝒓 𝑫𝒆𝒔𝒂𝒍𝒊𝒏𝒂𝒕𝒊𝒐𝒏 𝑻𝒆𝒄𝒉𝒏𝒐𝒍𝒐𝒈𝒚), Andriamatoa Yehuda ORTAL.
Nisongadina tamin’izany ny fifanakalozana sy fametrahana vina ho an’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa, ary ny sehatra azon’ny roa tonta hiasana.
Hisy araka izany, ny dinik’asa hiarahan’ny Ministera sy ny AWDT, hahafahana manamafy ny fiaraha-miasa.




