𝟐𝟔 𝐅𝐄𝐁𝐑𝐎𝐀𝐑𝐘 𝟐𝟎𝟐𝟓 – 𝐉𝐎𝐔𝐑𝐍𝐄́𝐄 𝐃𝐄𝐒 𝐄́𝐓𝐀𝐁𝐋𝐈𝐒𝐒𝐄𝐌𝐄𝐍𝐓𝐒
Nanamarika fotoana manan-danja ny ivon-toeram-pampiofanana teknika manerana an’i Madagasikara. Niray hina, nihetsika, ary naneho fahaiza-manao ny mpiofana sy ny mpampiofana, indrindra teto Analamanga izay nankalaza tamin’ny alalan’ny carnaval sy zumba feno hafaliana sy firaisankina.
Ramatoa Minisitra RASOLOARISOA Marie Marcelline dia nampahatsiahy fa 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑒𝑘𝑛𝑖𝑘𝑎 𝑑𝑖𝑎 𝑙𝑎̀𝑙𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑎𝑧𝑎𝑣𝑎 𝑚𝑖𝑡𝑜𝑛𝑑𝑟𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑜𝑚𝑏𝑖𝑎𝑧𝑎𝑛𝑎. 𝐼𝑧𝑎𝑦 𝑣𝑜𝑛𝑜𝑛𝑎 ℎ𝑖𝑎𝑛𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑠𝑦 ℎ𝑖𝑎𝑠𝑎 𝑛𝑜 ℎ𝑎𝑛𝑜𝑟𝑖𝑛𝑎 𝑛𝑦 ℎ𝑜𝑎𝑣𝑖𝑛𝑦!
Mbola hitohy mandritra ny telo andro ny fankalazana. Fotoana sarobidy ho an’ny rehetra hahafantarana bebe kokoa ireo sekoly ara-teknika, hizara traikefa ary hanamafisana ny soatoavina entin’ny fampianarana teknika ho an’ny firenena.
𝗡𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗼𝗺𝗯𝗶𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗱𝗶𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗽𝗮𝗵𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮! 𝗠𝗶𝗼𝗺𝗮̀𝗻𝗮, 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮, 𝗮𝗿𝘆 𝗺𝗮𝗺𝗼𝗿𝗼̀𝗻𝗮 𝗵𝗼𝗮𝘃𝘆 𝗺𝗮𝗺𝗶𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮!





















