Midina ifotony, mijery ireo ivon-toeram-panofanana mandrafitra ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony no anton-dian-dRamatoa Ministra RASOLOARISOA Marie Marcelline tao amin’ny Faritra Ihorombe sy Matsiatra Ambony.
Nisantarana ny fitsidihana androany faha 10 novambra 2024 ny CFPR Ambia Ihosy. Nitohy tamin’ny fitsidihana ny CFP Ambalavao izany.
Vao nigadona tao Fianarantsoa Ramatoa Ministra dia niroso avy hatrany tamin’ny fitsidihana ny CFP Tsianolondroa sy ny CFPF Fianarantsoa.
Izao fitsidihana izao moa dia natao hihaonana amin’ireo rantsa-mangaikan’ny Ministera eny amin’ny Faritra ary koa hihainoana izay hetahetan’ireo mpampiofana sy mpiofana.