16 andro iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy
16 desambra 2024 : 15 mirahavavy iharan’ny herisetra ao amin’ny Faritra Diana no notolaran-dramatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa #RASOLOARISOA_Marie_Marcelline mari-piofanana sy fampitaovana momba ny zaitra avy amin’ny vadin’ny Filoham-pirenena Mialy R. Rajoelina rehefa avy niofana nandritry ny 5 andro; fiofanana niarahana tamin’ny Brigade Féminine de Proximité ao Antsiranana
Tanjona ny ahafahan’izy ireo mihoitra amin’ny fiainana, tsy hiankin-doha fa hahaleo tena, hananana asa mahavelona.