Voaray hiasa avy hatrany ireo tanora miisa 30 avy ao amin’ny LTP Moramanga tao aorian’ny fangataham-piaraha-miasa nataon’ny DRETFP Alaotra Mangoro tamin’ny orinasa Europ’Alu. Ny 30 oktobra lasa teo no nandray ny asa zy ireo.
Tonga nihaona tamin-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, RASOLOARISOA Marie Marcelline araka izany ireo tompon’andraikitra avy amin’ny orinasa Europ’Alu ny 13 novambra 2024. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny METFP sy ny orinasa Europ’Alu ny fihaonana. Teo koa ny dinidinika ny amin’ny fomba hampidirana ny sampam-panofanana mifototra amin’ny “menuiserie aluminium” amin’ny fandaharam-pianarana eo anivon’ny LTP Moramanga.
Olo-mahay raha, tsy very mandeha.