Alatsinainy faha 11 novambra 2024 : Niaraka nanangan-tsaina tamin’ireo mpiofana tao amin’ny LTP Beravina Fianarantsoa, Ramatoa Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, RASOLOARISOA Marie Marcelline. Tao aorian’izay dia nihaona tamin’ireo mpampiofana, sy mpandraharaha eo anivon’ny LTP ny Ministra, notronin’ny Préfet an’i Fianarantsoa, ny solotenan’ny Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony, ny solotenan’ny Komandin’ny Sekoly Miaramilam-Pirenena (SEMIPI), ny Plateforme Miaro ary ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny INPF.
Nohamafin-dRamatoa Ministra fa zava-dehibe ny fidinana toy izao hahafantarana ny mety ho olana sedrain’ny lysea teknika. Hitondra vahaolana mifanaraka amin’izany ny Ministera araka izay tratra sy azo atao.
Tsara ny manamarika fa misy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny LTP Beravina sy ny SEMIPI. Miofana mandritry ny 3 taona amin’ny alalan’ny Formation Technologie Générale (FTG) ireo mpianatra ary misy karazany 2 ny sampam-piofanana dia ny Génie Industrielle sy ny Génie Civile. Ankoatra izay dia misy koa ny fiofanana ho teknisianina amin’ny fanaovana ny rarivato sy ny fanefena vato (tailleur de pierre, poseur de pavé ary maçonnerie de brique). Ireo miaramila ao amin’ny SEMIPI no manaraka ireo karazam-piofanana ireo mba hahafahany mampivady asa ankoatra ny maha miaramila azy.