20 janoary 2025: tonga nitsidika ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa #RASOLOARISOA_Marie_Marcelline ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevi-pitantanan’ny Chambre de Commerce et de Coopération Canada-Madagascar (CanCham).
Teboka iray noresahan’ny avy ao amin’ny CanCham tamin-dRamatoa Ministra ny fanolorana ny tetiandro stratejika ho an’ny taona 2025. Voarakitra ao anatin’izany ny andiany faha enina amin’ny “Mission Economique et Commerciale au Canada” (MECC). Manana anjara toerana lehibe amin’ny MECC ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, ka hisy araka izany ny fiaraha-miasa izay ho atao eo amin’ny Governemanta malagasy sy ireo andrim-panjakana kanadianina noho ny fahabetsahan’ireo tanora miasa sy mianatra ao Canada.
Olo_mahay_raha_tsy_very_mandeha





