𝟐𝟑 𝐃𝐄𝐒𝐀𝐌𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟒 : 𝐅𝐈𝐙𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐈-𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 – 𝐅𝐈𝐉𝐄𝐑𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐀 𝐀𝐍𝐎𝐒𝐈𝐁𝐄
Tsy latsan-danja tamin’ireo izay efa nahazo mari-piofanana tamin’ilay hetsika FIJERY HAFA natao tetsy Anosibe ny 18 Oktobra 2024 lasa teo, ireo 200 isa nanaraka ny fampiofanana momba ny Coupe et Couture. Natao tao amin’ny Amphi B an’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny fizarana izany.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana Ramatoa Ministra, Marie Marcelline Rasoloarisoa. Nantitranteriny nandritra ny lahateniny fa tsy mifidy saranga ny fijery hafa ; ary efa mivoaka mpandresy avy hatrany ireo mpandray anjara raha vao nikasa ny hiofana amin’izany.
Ny Dretfp Analamanga no nisahana ny fandraisana an-tanana izao hetsika izao, ka maro ireo ivon-toeram-pampiofanana niara-nisalahy nanome fitaovana, toy ny lamba sy ny kojakoja ilaina amin’izany.
𝑴𝒊𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒉𝒆𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝑭𝒊𝒋𝒆𝒓𝒚 𝑯𝒂𝒇𝒂 𝒂𝒓𝒚 𝒆!
𝘔𝘪𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘪𝘻𝘢-𝘮𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰, 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘵𝘴𝘢𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘴𝘢𝘯𝘢𝘰, 𝘢𝘳𝘺 𝘮𝘢𝘩𝘢𝘻𝘰𝘢 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘯𝘰𝘷𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢𝘰.













