🎯🎯« Ny fanovàna ny fanabeazana dia miainga avy amin’ireo mpampianatra », io no lohahevitra nanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny mpampianatra sy ny mpanabe androany 5 oktobra 2022.
✅ ✅Ho an’ny teto amin’ny faritra Analamanga, dia natomboka tamin’ny diabe niainga teny Atanimbarinandriana ary nihazo ny kianjan’ny Kanto Mahamasina ny fankalazana.
➡️➡️Mpampianatra sy mpanabe anatin’ny fikambanana sy sendika samihafa avy amin’ny Ministera telo (3) misahana ny fanabeazana no niaraka nanamarika ny hetsika. Hetahetan’izy ireo ny hanatsarana hatrany ny hasina sy hijerena ny maha olona, satria mbola hiaran’ny tsindry hazolena ny ankamaroany. Nanambara ny fahavononany hanatsara ny sehatry ny fanabeazana ireo mpanabe mba ho fanasoavana ny zaza Malagasy. كازينو ٨٨٨
⬆️⬆️Nanome voninahitra ny lanonana no sady nisolotena an-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, nambarany fa maro ny ezaka efa nataon’ny fitondram-panjakana eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ary ao anatin’izany ny fijerena manokana ireo mpampinatra, ny zo fototra tokony ho sitrahan’izy ireo. Asa masina ary asa mendrika ny fampianarana hoy izy satria mitondra fivoarana eo amin’ny maha olona ary mitondra fampandrosoana eo an’ny firenena. العاب الخيول
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
©️ CELCOM METFP/ octobre 2022