Napetraka ho fotoana hiarahana maneho adidy sy fitiavana amin’ny firenena ny alatsinainy voalohan’ny volana ho an’ny METFP.
Nanome toromarika ho an’ny mpiara-miasa rehetra Ramatoa Minisitra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella :
- Mitohy ny fanentanana sy ny fitandremana rehetra momban’ny aretina covid-19
- Miroso amin’ny fanaovam-baksiny faobe ny mpiasa rehetra eto amin’ny METFP androany, vokatry ny fiarahana miasa amin’ny @Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay notolorany fisaorana
- Andalam-pamaranana ny famadihana ny ECD ho ELD ny ministera, izay hisaorana ny fitondram-panjakana nanome izany
- Efa miroso ny fikarakarana ny karaman’ny mpampiofana an-tselika, ary miara-miasa akaiky amin’ny @Ministeran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola ny METFP
Manentana ny mpiasa rehetra ny ministra hanohy ny ezaka hampandehanana ny asa iombonana eto amin’ny ministera.
« Olo-mahay raha, tsy very mandeha »
©️ SCOM METFP / Décembre 2021