ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires) taona 2022

➡️Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 20 Aogositra 2022 tao Toliara, ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana (ASIEF). Anisany nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo solotenan’ny METFP sy ireo tale mpanara-dia azy ireo.

⬆️Miisa 75 ny mpifaninana izay handray anjara amin’ny taranja dimy (05), dia ny : baolina kitra, basikety, hazakazaka, tsipy kanetibe ary « belote ».
Isaorana ny proviseur sy ny mpandraharaha ao amin’ny LTP Toliara noho ny fandraisana mahafa-po ireo mpikatroka.

📌Nanambara ny fahavononana hatrany ireo mpifaninana fa hiaro ny voninahitry ny Ministera.
Ny fianakaviam-ben’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, izay tarihin- dRamatoa Ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, dia manohana ireo ekipa hatrany ary manantena fandresena.

Olo mahay raha tsy very mandeha.

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle