Fiofanana tao amin’ny Akamasoa

Tao aorian’ny fiofanana mahakasika ny « fille de ménage », « installation électrique bâtiment » ary « installation solaire photovoltaïque » dia notolorana ny « Attestation de formation aux métiers de base » anio 21 desambra 2020 ireo tanora sy vehivavy miisa 174 tao amin’ny Akamasoa. Tonga nanome voninahitra izao lanonana izao ireo Talen’ny fanofanana isany avy avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, ny Tale-paritra Analamanga, ny Lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny tananan’Ambohimangakely ary indrindra ny angady nananana sy vy nahitana, ny Association AKAMASOA dia Père Pedro. Ity fampiofanana ity dia entina hampandrosoana ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny paikady hampiofanana ireo vehivavy sy tanora avy ao amin’ny fokontany Manantenasoa. Ny tanjona dia ny hanatsarana ny fahaiza-manao arak’asa mba hahafahan’ireo tsy an’asa hifaninana eo amin’ny sehatry ny asa ary hampitombo ny fidiram-bolany.

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle