DRETFP ATSINANANA : Fitsidihan-dRamatoa Minisitra ny LTP sy CFP tao Toamasina

➡️ Ny sabotsy 26 martsa 2022 dia nanatanteraka fitsidihana ny LTP sy ny CFP teto Toamasina Ramatoa Ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, notronin’ireo delegasiona niaraka taminy.

✅ Mifototra amin’ny fikarohana paika entina manatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanofanana izao fidinana ifotony izao araka ny nambaran-dRamatoa Ministra, satria sady nifampitafa tamin’ny mpampiofana sy mpandrahara, no nijery izay fanatsarana ara-pampitaovana tokony ho atao.

⏩ Nisy ny fanolorana ireo solosaina ho an’ny LTP, raha nisitraka fampitaovana ho an’ny « Tourisme – Hôtellerie – Restauration » kosa ny CFP Toamasina, CFP Vatomandry, CFP Foulpointe, ary ny CFP Fénérive-Est .

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️ SCOM METFP/ mars 2022
LTP de Toamasina
Cfp Toamasina

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle