DRETFP MATSIATRA AMBONY : Famoahana mpiofana tao LTP Beravina Fianarantsoa

Mpiofana amin’ny fianarana asa fototra (Apprentissage aux Métiers de Base) miisa 1791 no navoaka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny LTP Beravina Fianarantsoa ny alatsinainy 11 oktobra 2021. Naharitra 15 andro ny fiofanana ka vehivavy, tanora ivelan’ny rafi-pampianarana, ary tantsaha no nisitraka izany.

Avy ao amin’ny LTP Beravina, sy ny PIF TIC ny 751 amin’izy ireo, raha 139 kosa avy ao amin’ny CFPF.

Notsindrian’ny Ministry ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa indray zava-dehibe ny fanofanana arak’asa eo amin’ny fampandrosona ny firenena, ary tafiditra tanteraka ao amin’ny Velirano napetraky ny Filoham-pirenena izany.

Tanjona ny hampiofana olona miisa 1.000.000 hatramin’ny taona 2023, ka nanentana ireo mpampianatra mba hanome lanja ny fianarana asa fototra Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, sady nanamafy ny tokony hilofosana amin’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fanofanana hirosoana amin’ny fifanojoan’ny fiofanana sy ny asa (adéquation formation-emploi).

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/ Octobre 2021

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle