Famoahana mpiofana tao amin’ny CFP Charpenterie de Marine Mahajanga

Ny marainan’ny 30 jolay 2021 tao amin’ny CFP Charpenterie de marine Mahajanga no notanterahana ny famoahana ireo mpiofana miisa 500 avy amin’ny CFPF, CRFPPV, CFP Charpente de marine, LTP ary ireo avy amin’ny ivon-toeram-panofanana tsy miankina amin’ny fanjakana eo ambany fiadidian’ny fitaliavam-paritry ny ETFP Boeny.
Nandritra izany koa no notokanana ny Cyber école ao amin’ny CFP Charpenterie de marine izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpiara-miombon’antoka TELMA sy UNESCO ary ny METFP. Io efitrano io dia misy solosaina miisa 6 ary misy aterineto ka afaka manao fikarohana ireo mpiofana eo anivon’ny ivon-toeram-panofanana. Tonga nanome voninahitra izao lanonana roa sosona izao Andriamatoa TSIKEL’IANKINA Ernest, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Ramatoa Solombavambahoakan’i Madagadikara voafidy tao Nosy Varika, Andriamatoa Solombavambahoakan’i Madagadikara voafidy tao Ambato Boeny, Andriamatoa
Mickaël Ratovoson, DRH eo anivon’ny TELMA.
Tanjona lehibe ho an’ny rehetra ny fampiroboroboana ny nomerika eo amin’ny sehatr’asa maro.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha
©️ SCOM METFP

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle