Fanadinam-panjakana BEP

Manomboka anio faha 19 jolay 2021 ny fanadinam-panjakana Brevet d’Etude Professionnel (BEP) ary hifarana ny faha 22 jolay ho avy izao. Tonga nanokatra laza adina tao amin’ny LTP Alarobia, Andriamatoa TSIKEL’IANKINA Ernest, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa notronin’ireo tale vitsivitsy. Tsiahivina fa misy mpiadina miisa 631 ao amin’ny LTP Alarobia ary mitsinjara amina sehatr’asa 5 dia ny « Électrotechnicien industriel », Technicien en telecommunication », Technicien en audio visuel », « Tourneur », « Fraiseur ».
Nomarihan’Andriamatoa Ministra fa mitohy hatrany ny fanadinana BEP manerana ny nosy ary nahazo tso-drano avy amin’ireo mpino silamo ny mpanala fanadinana rehetra.
Entanina hatrany isika mpiadina mba ho tony sy hifantoka eo am-piatrehana ny fanadinana.
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️ SCOM METFP

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle