Hametraka ho laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny « tontolo maitso » ny eto anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, hoy ny Ministra RAHANTANIRINA Vavitsara Gabriella.

Hiara-hientana ary handray anjara betsaka amin’ ny fiarovana ny tontolo iainana ny ministera, manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro eto Madagasikara ; anisan’izany ny fambolen-kazo sy ny fanivahana ireo fako amin’ny alalan’ny fampiasana « daba fitsinjaràna fako azo ahodina » ka avadika ho lasa akora vaovao.

Haparitaka eny anivon’ny sekoly sy ny ivontoeram-panofanana samihafa ity tetik’asa fanivanana fako ity, tohanan’ny UNFPA sy ny fanjakana Norveziana.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️ CELCOM METFP/ aogositra 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle