Fankalazana ny 8 Martsa tao Antsirabe.

♀️Ambompihaonan’ireo fikambanam-behivavy manerana ny Nosy ny tao Antsirabe amin’izao fankalazana ny andro natokana ho an’ny zon’ny vehivavy izao.
📌Samy naneho ny fitafy mampiavaka ny faritra nihaviany ny rehetra nandritra ny filaharana natao teo amin’ny « Vélodrome Antsirabe ».

📣Anisany nandray anjara tamin’izany ireo vehivavy avy amin’ny fitaliavam-paritry ny fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa_Vakinankaratra, izay notarihin-dRamatoa Minisitry ny ETFP – VAVITSARA Rahantanirina Gabriella.

🇲🇬 Nosokafana tamin’ny fandraisam_pitenenan’ny Ramatoa Mialy RAJOELINA ny fankalazana, nandimby azy taorian’izay ny kabary natao’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, izay tonga nanome voninahitra ny lanonana.

©️ DREFTP Vakinankaratra/Mars 2022
Photos : Faritra Vakinankaratra Ofisialy
DRETFP Vakinankaratra

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle