Fanokafana ny taom-panofanana/pianarana 2021-2022 tao amin’ny LTP Miarinarivo

Tao amin’ny Lisea teknika Miarinarivo no nanatrehan-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa, ny fanombohana ny taom-panofanana/pianarana 2021-2022.

Ny famerenana ny hasin’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa mba hanamora ny fampananana asa mendrika sy mahavelona ho an’ny tsirairay no tanjona hifantohana ho an’ity taom-panofanana/pianarana ity:

  • Fanandratana an’i Madagasikara ho firenena filamatra amin’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa aty amin’ny Ranomasimbe Indianina ;
    -Tandremana sy tandrovana ny fanarahana ny fenitra ara-kalitao ;
  • Ampifanentanana tanteraka amin’ny filan’ny tsenan’ny asa, ny tolotra ara-panofanana ;
  • Tantanina amin’ny fomba mangarahara ny asa.
    Ireo no toromarika nanentanan-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ny mpiara-miasa rehetra manerana ny Nosy.

Nitso-drano ireo mpianatra, ny mpampiofana ary ny mpandraharaha rehetra hahavita soa aman-tsara an’ity taom-panofanana ity koa Ramatoa Ministra teo am-pamaranana ny lahateniny.

« Olo-mahay raha, tsy very mandeha »
SCOM METFP / SEPTEMBRE 2021

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle