Fanolotra fanomezana ho an’ireo tanora nahazo ny mari-pahaizana bakalorea teknika nahazo salan’isa ambony teo anivon’ny renivohiparitany enina

🙏🙏Ho fankasitrahana ireo tanora nahazo ny mari-pahaizana bakalorea teknika nahazo salan’isa ambony teo anivon’ny renivohiparitany enina dia noraisin-dRamatoa Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Aa, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella izy ireo ny faha 12 septambra 2022 tao Ampefiloha.

👌👌👌Nitondra ny teny fiarahabana azy ireo Ramatoa Ministra ary nanolotra fanomezana (Tablettes, box connexion, polos, sacs, pochettes, trousses ary stylos) mba ho fankasitrana azy ireo tamin’ireo ezaka natao.

🙏🙏Firariantsoa sy teny mamy no nirarian-dRamatoa Ministra azy enina mianadahy Lauréats manerana ny renivohiparitany enina:
✔️GALO Jessica Tiana ( Mahajanga)
✔️TEFATSARA Jenna Stephie (Toamasina)
✔️RABARIJAONA Anthonio ( Antananarivo)
✔️ANDRIANINA Princy Victorino (Fianarantsoa)
✔️HOUSSEN Randriamarina Jhoann Orlando (Antsiranana)
✔️RAMIANDRISOA Tolojanahary Myreilla (Toliara)

👉Etoana dia hisaorana ny Ministère du Développement Numérique, de la Transformation Digitale, des Postes et des Télécommunications, ny Amazones sy ireo rehetra nanohana ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa amin’izao fanomezana izao.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️ CELCOM METFP/ septembre 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle