Faritra Alaotra Mangoro : Fitsidihana ny LTP Moramanga

Ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fampianarana ary indrindra ho fijerena akaiky ireo filan’ny toeram-piofanana, dia manohy ny fitsidihana sy fidinana ifotony Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, RAHANTANIRINA Vavitsara Gabriella. Ny LTP Moramanga ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro no notsidihany ny 21 jolay 2022.

Nodinihina nandritra ny fitsidihana ireo sehatrasa hamaly ny filan’ny faritra, ahafahan’ireo tanora hisitraka hatrany ny asa mendrika.
Hitohy amin’ny faritra Atsinana sy Analanjirofo moa izany fidinana ifotony izany.

« Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️ METFP/DRETFP Alaotra Mangoro – Jolay 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle