Faritra Analamanga : Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa amin’ireo mpiara-miobon’antoka

Tontosa ny Zoma faha 12 novambra ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny Fitaliavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa Analamanga sy ny:

  • Hôtel Panorama
  • Institut National du Tourisme et de l’hôtellerie (INTH)
  • PIFTIC
  • CFP Don Bosco
  • LTPGC Mahamasina
  • LTP Alarobia
  • CFP Ampasampito

Tanjona lehibe ao anatin’izao fiaraha-miasa izao ny fampivoarana ny fahaiza-manao sy ny fankatoavana izany amin’ny alalan’ny Validation des Acquis de l’Expérience (VAE). Voafaritra anatin’ny fiaraha-miasa ny fanomezana « plateaux techniques » ahafahana manao ny tombana amin’izany VAE izany.

« Olo-mahay raha, tsy very mandeha »
©️ SCOM METFP / Novambra 2021

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle