Faritra Analanjirofo : Fitsidihana sy fanolorana mari-pahaizana

Tanora miisa 412 no notoloran-dRamatoa RAHANTANIRINA Vavitsara Gabriella, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, mari-pahaizana teto Fenoarivo Atsinanana.

Nisitraka fiofanana momba ny informatika, ny tao-trano, ny fambolena, rafitra hazo, faninginana (soudure), teny vahiny, tao-zaitra sy hay nahandro ireto tanora ireto.

Nahazo mari-pisaorana manokana ihany koa ireo mpianatra avy ao amin’ny fikambanana « Construisons pour Madagascar » avy any Lille-Frantsa, izay nanampy tamin’ny fananganana efitrano fianarana roa (02) fanampiny ho an’ny LTP Fenoarivo Atsinanana.

Tsy adinon-dRamatoa Ministra ny nifampidinika mivantana tamin’ireo mpampiofana avy amin’ny ivontoeram-panofanana rehetra ao an-toerana, hamaliana ny hetahetan’izy ireo, sy hanatsarana ny fampianarana.

Mitohy any Soanierana ivongo sy Vavatenina izao fitsidiham-paritra ataony izao.

« Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️ METFP/ DRETFP ANALANJIROFO – Jolay 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle