Faritra Androy – Kaominina Ambondro, Fokontany Lamitihy Mahazoarivo sy Ankiliromotse.

➡️Ankoatra ny toerana fanodinana raketa tao Ambazoa, izay vatsian’ny PNUD vola, ny fokontany Mahazoarivo sy Ankileromotse dia nisitraka milina famokarana menaka vita avy amin’ny kinana. Ankoatra ireo dia tanora miisa telopolo (30) no nisitraka fanofanana amin’ny sehatry ny tao-trano, ka ny ivontoerana no nanaovana fampiharana avy hatrany tamin’ny fananganana ny fotodrafitrasa.

📌Nijery ifotony izany rehetra izany Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa. Nitafa sy nidinika tamin’ireo tantsaha mpamokatra kinana ny tenany ; tamin’izany indrindra no niresahana ireo fanamafisana fanofana, hoenti-manatsara ny asa velon-tenan’ny tsirairay.

✅Nasongadiny ihany koa ny fanofanana ireo tanora amin’ny fikojakojana ireo milina ireo. Nanararaotra izao fotoana izao ihany koa ny tenany nanolorana ireo mari-panofanana.

« Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/ Mai 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle