Faritra Anosy: fidinana ifotony ety anivon’ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa.

Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ny fidinana ifotony eny amin’ireo ivontoeram-panofanana misandrahaka manerana ny Nosy.

Izany no atao, dia mba hahitana ka hitondrana vahaolana amin’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fanofanana sy ny fampianarana .

Ny amin’ity fitsidiham-paritra ity dia nitsidika ny faritra Anosy ny delegasiona notarihin-dramatoa Ministra, nitety ireo ivontoeram-panofanana miisa telo (03) ato anatin’ny faritra ; ny Lycée Technique sy CFPF Taolagnaro, ary ny LTP Ampasy Nampoina.

« Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/ Mai 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle