Faritra SAVA : Fitsidihan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Distrikan’i Antalaha

Ny distrikan’i Antalaha no nanohizan’ny Filoham-pirenena Malagasy, Andriamatoa Andry RAJOELINA, ny fitsidihana ny faritra Sava, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta – anisan’izany i Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella – Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa sady Minisitra coach any amin’iny faritra iny.

Nandrafitra ny tontolo andron’ny 30 oktobra 2021 ny:

  • fihaonana mivantana amin’ireo solon-tenan’ireo mpiantsehatra isan-karazany eo amin’ny seha-pihariana lavanila ao anatin’ny Faritra SAVA.
  • fihaonana mivantana tamin’ny vahoakan’ny distrikan’Antalaha.

Maro ireo foto-drafitrasa izay haorina ao Antalaha, natao indrindra hamaly ny filan’ny mponina.
Anisan’izany ny « Maison de la vanille », ny Famatsiana herinaratra mandeha amin’ny masoandro na parc solaire, …

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/Octobre 2021

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle