Fiaraha-miasa eo amin’ny Orange sy METFP: fizaran’asa ho an’ny tanora

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Orange sy ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa dia nisitraka fanofanana mahakasika ny fampiasana ireo fitaovana ao amin’ny FabLab Orange Digital Center Ankatso ireo tanora miisa 30 avy ao amin’ny CFP Ampasampito. Haharitra telo andro izao fanofanana izao ka natomboka anio raha 11 aogositra 2022. Marihana fa isaky ny Alakamisy no hanatanterahana ny fiofanana ary hahazo « Attestation de fin de formation » ireo mpiofana.
Izao fiofanana izao araka ny nambaran’ny Talen’ny CFP Ampasampito dia natao hanomanana ny tanora hiditra eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fampahafantarana azy ireo ny zava-misy eny anivon’ny orinasa.
Ny CFP Ampasampito irery ihany no manana ny lalam-piofanana « imprimerie » ka mikatsaka ny hampivoatra sy manatsara ny fitaovana hanaovan’ny mpiofana fampiharana ny ivon-toeram-panofanana.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️ CELCOM METFP, aogositra 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle