Fifanaraham-piaraha-miasa METFP – Governoran’ny Faritra Analamanga: fanofanana ireo tanora

Nosoniavina anio faha 27 jolay 2021 tao amin’ny biraon’ny Faritra Analamanga ny fifanekem-piaraha-miasa eo amin’Andriamatoa TSIKEL’IANKINA Ernest, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa sy Andriamatoa Hery RASOAMAROMAKA, Governoran’ny Faritra Analamanga.

Tanora avy amina kaominina miisa 50 eto Analamanga no hisitraka fanofanana mikasika ny « tailleur de pierre » sy « poseur de pavé » ka hampianarina azy ireo ny fomba fakana ny vato an-tendrombohitra, ny famakiana ny vato ary ny fandaharana azy ho lasa lalana vita amin’ny rarivato. Araka ny toromariky ny Filoham-pirenena dia miezaka manakaiky ny faritra hatrany ny fanofanana. Fampandrosoan any faritra no tanjona amin’izao fanaovana lalana vita amin’ny rarivato izao ary indrindra fampisokafana amin’ny sehatra maro lafy.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
©️ SCOM METFP

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle