Mankalaza ny faha 75 taona nijoroany sy niasany ny UNESCO. Tafiditra indrindra ao anatin’izao fihaonambe faha 41 izao izany fankalazana izany.
Firenena maro no mandray anjara amin’ity fihaonambe ity, anisan’izany i Madagasikara.
Ramatoa Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa – VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, dia isan’ ireo nandray anjara feno amin’izany fihaonambe ao Paris izany, miaraka amin’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena – Ramatoa SAHONDRARIMALALA Marie Michelle, ny COMNAT ary ireo tale isan-tsokajiny. Ka nihaona tamin’ny Birao iraisam-pirenena momban’ny fanabeazana (BIE) izy ireo.
Ny fifanakalozan-kevitra momban’ny fiovaovan’ny toetrandro, ny valan’aretina, ny fifindra-monina, ny famolavolana ny fandriam-pahalemana sy filaminana,… ary indrindra ny fanabeazana sy fiofanana no ho resahana mandritry ny 20 andro mahery.
Fotoana hanaovana jery todika amin’ireo zava-bitan’ny UNESCO, ary hamaritana ihany koa ny ezaka mbola hatao.
Nandrafitra ny fandaharam-potoana ihany koa ny fifidianana ny Tale Jeneralin’ny UNESCO, hitondra mandritry ny efa-taona, izay notontosain’ireo firenena mpikambana, ary hamaritana ny paikady ho tanterahana ny taona 2022 hatramin’ny 2029. Ka lany hitantana indray ny UNESCO Ramatoa Audrey Azoulay tamin’ny isa 155 amin’ny mpifidy 169.
« Olo-mahay raha, tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/Novembre 2021
UNESCO