Ho tohin’ny fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny fanofanana arak’asa sy ny Office de la Formation Professionnelle et de la Promotion du Travail (OFPPT) MAROC, dia misy toerana 10 (Mianto-tena) indray natolotra ho an’ireo mpianatra afaka Baccalauréat Technique ny taona 2019 sy 2020 eo amin’ny sehatry ny BTP.
Noho izany, ho an’ireo izay nanana ny naoty ambony ka tsy tratra antso mihitsy dia angatahina handefa ny anarany amin’ity laharana finday ity: 032 64 968 31 hatramin’ny alatsinainy 16 Aogositra 2021 amin’ny 8ora maraina.
Marihina fa fianarana mandritra ny 2 taona no atao any ho an’izay vonona sy manana ny fahafahana ara-bola hianto-tena.
Ireto avy ny spécialité afaka hisafidianana amin’izany :

  • GENIE CIVIL
  • GEOMETRE TOPOGRAPHE
  • CONDUCTEUR DE TRAVAUX : TRAVAUX PUBLICS
  • GROS OEUVRES
  • DESSINATEUR EN BATIMENT
  • PEINTRE DECORATEUR EN BATIMENT
    Raha Mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso ny laharana finday izay misoratra io ambony io.
    Mankasitraka.

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle