➡️Sambany i Madagasikara no handray anjara amin’ny « Olympiades des métiers », amin’ny sehatry ny tao-trano. Any Shanghai no hanatanterahana ny fifaninanana manomboka ny 12 hatramin’ny 17 oktobra 2022.
📌Telo (03) mirahalahy no hisolotena an’i Madagasikara hiatrika izany fifaninanana izany :
- ELY Romain, LTP Toamasina : fikirakirana fantson-drano (plomberie)
- RAKOTOARIVONY Henintsoa Herimanana Fanomezanjanahary, LTPGC Mahamasina : rafitra biriky na/sy vato (maçonnerie)
- HERINIAINA Nirilanto Olivier, ASFOR Tanjombato : fikirakirana herinaratra (installation électrique)
✅Noraisin’ny Ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella izy ireo, niaraka tamin-dRamatoa Ratsimbazafy Ozélar, mpianatry ny VATEL Madagascar izay avy niatrika fifaninanana tany Namibie, teo amin’ny sehatry ny hainahandro.
Marihina fa tanora miisa 1.600 no hifanintsana amin’ity WorldSkills ity, amin’ny sehatr’asa maherin’ny efapolo (40).
« Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/ Mai 2022




