Fitsidihana ny orinasa « Paul Boyé » niarahana tamin-dRamatoa Minisitra, ireo mampiofana sy mpiofana.

Hanampy ny mpianatra mialohan’ny hidirana amin’ny tsenan’ny asa ny fijerena ifotony ny zava-misy eny anivon’ny orinasa.

Ho fampiharana izany, nitsidika ny « Paul Boyé Technologies » ny mpiofana, ny mpampiofana sy ny mpitantana ivon-toeram-panofanana ary ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny Ministeran’ny ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ; izay notarihin-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ny 21 oktobra.

Tanjona ny ahafahan’ireo mpiofana mianatra asa avy hatrany aorian’ny fiofanana arahiny, hanampy ny mpitantana ny ivon-toeram-panofanana amin’ny fiofanana tokony omena ny mpianatra mba hamaly ny tsenan’ny asa avy hatrany izany.
Hitohy ny fidinana ifotony eny anivon’ny orinasa toy izao, hoy ny ministra.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/Octobre 2021

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle