Fitsidihana ny LTP Toamasina

Tontosa ny asabotsy faha 30 janoary 2021 ny fitsidihan’ Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, TSIKEL’IANKINA Ernest, ny LTP Toamasina. Nitafa tamin’ireo mpampiofana sy ny mpianatra ny tenany, nanomezany toro lalana, dia ny mba hilofosan’ireo tanora hampitombo ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fiofanana arak’asa, tafiditra indrindra ao anatin’ny vinan’ny Filoham-pirenena.
Nisy ihany koa ny fijerena ifotony ny toeram-piofanana ho an’ireo mpiofana CAPS ao amin’ny LTP Toamasina ihany. Nahitany ny zava-bitan’ireo tanora miofana amin’ny sehatry ny fanamboarana tao trano (électricien bâtiment, maçon gros œuvre, plombier installateur sanitaire, métallier-soudeur-tuyauteur), izay tonga matihanina ankehitriny nohon’ny fanarahan’izy ireo fizaran’asa eny anivon’ny orinasa, mameno ny fahaizana noratovina eny amin’ny toeram-piofanana.
Velom-bolo ny rehetra ny ho amin’ny fitohizan’ny ezaka tsara efa vita, sy ho amin’ny fifandraisana akaiky kokoa amin’ireo mpiara-miombon’antoka. « Olo mahay raha tsy very mandeha »

(c)Scom metfp

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle