Ho rakotra ala i Madagasikara ka hamerina indray ny maha Nosy maitso mavana azy isika

Ho rakotra ala i Madagasikara ka hamerina indray ny maha Nosy maitso mavana azy isika, izany no vinan’ny filohampirenena Andry Rajoelina.
Nanantanteraka izany adidy izany amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana, hoy ny Ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella.
Zana-kazo 1 800 no novolen’ny ministera amina velarantany 2ha, tetsy amin’ny Fokontany Fiakarana, kaominina Anosiala, District Ambohidratrimo ny zoma 11 martsa 2022 teo.
Niara-nisalaha tamin’ny Ministera tamin’izany ny Kaominina izay nanolotra ny tany ho volena, ny teo anivon’ny Ministeran’ny tontolo iainana nanome ireo toromarika sy fepetra mila hajaina ary ireo ivon-toeram-panofanana teknika sy ratsa-mangaika.

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle