LTP SAMBAVA : Nidina ifotony Ramatoa Minisitra

Ho anisan’ny ivon-toeram-panofanana fitaratra ny LTP Sambava, izay no tanjona. Raha ny voka-panadinana dia azo lazaina ho sangany izy ao anatin’ny Fitaliavam-paritra SAVA, satria mahatratra hatrany amin’ny 95% izany.

Hatsaraina sy tohizana ny ezaka hoy Ramatoa Minisitra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ho firosoana kokoa amin’ny fanofanana arahana fampiharana.

Seha-piofanana miisa 4 no misy ao amin’ny LTP Sambava, dia ny :

  • Mécanique automobile,
  • BTP,
  • Menuiserie bois,
  • Électronique industrielle,

ka samy novatsiana fitaovana avokoa.

Ankoatr’izay dia mitohy ihany koa ny fanofanana fohy ezaka. Tanora sy olon-dehibe no nisitraka izany, ka notolorana mari-panofanana (Attestations sy Certificats), teto amin’ny Lysea Teknika Sambava ny 28 oktobra 2021.

« Olo-mahay raha, tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/ Octobre 2021

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle