METFP/ ACADÉMIE L’OREAL PROFESSIONNEL Madagascar

Tao aorian’ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ny Alatsinainy lasa teo dia nanaraka Fanofanana momba ny taovolo sy ny fandokom-bolo ireo mpampiofana 20 mianadahy avy amin’ireo ivo-toeram-panofanana teknika sy arak’asa nandritry ny herinandro. Notolorana ny « Attestation de fin de formation » izy ireo ny Zoma faha 16 jolay 2021 izay notronin-dRamatoa TSIKASIHY Fanjanirina DCAQ sy Ramatoa RAVELOSON Zoly Volahanta Tale-paritra Analamanga, teo ihany koa Ramatoa Chantal Dixneuf, solotena avy ao amin’ny Académie L’Oréal Professionnel sy ny mpampiofana.
Hinoana sy hantenaina fa hampiakatra ny fahaiza-manaon’ireo mpiofana any amin’ny ivon-toeram-panofanana manerana ny nosy izao fanofanana ireo mpampiofana izao ka hitondra vokatra tsara sy matihanina indrindra eo amin’ny sehatry ny taovolo.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️ SCOM METFP

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle