METFP : Fanadinam-panjakana Brevet d’études Professionnelles (BEP)

🎯 Nizotra am-pilaminana tanteraka ny fiantombohan’ny fanadinana Brevet d’études Professionnelles (BEP) , raha ny ako azo avy amin’ireo ivontoeram-panadinana miisa 86 ao anatin’ny fitaleavam-paritra 23, izay nahitana mpiadina miisa 10.270.

📝 Nijery ary nankahery ireo mpiadina tetsy amin’ny Lycée Technique Professionnel et Commercial Ampefiloha Ramatoa RAHANTANIRINA Vavitsara Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa. Ity ivontoeram-panadinana ity dia isan’ireo manana mpiadina betsaka indrindra, satria mahatratra hatramin’ny 2.500 izy ireo, ao amin’ny sehatrasa Fitantana, Varotra sy Fandraharana.

✅ Toy ny any amin’ny faritra rehetra, mirindra tanteraka ny fanantanterahana izany, voahaja ihany koa ireo fepetra rehetra mahakasika ny fanadinana sy ny fenitra ara-pahasalamana, hiarovana amin’ny tsy hiparitahan’ny COVID-19. Nitsodrano ireo mpiadina manerana ny Nosy Ramatoa Ministra ary nankahery azy ireo sy ireo mpandraharaha mandritra izao efarana hiatrehana ny fanadinam-panjakana izao.

©️SCOM METFP/Juillet 2022
« Olo-mahay raha, tsy very mandeha »

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle