METFP – METALLIKIT : Fanolorana fitaovana hanarenana ny CFP Ampanefena

👉Nandritra ny fandalovan’ny Ramatoa Ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella tany Vohémar ny taona 2021 lasa teo, dia tsikaritra fa misy fahasimbana ny tafon’ny efitrano roa (02) ao amin’ny Centre de Formation Professionnelle (CFP) Ampanefena, ka mila fanarenana.

👍Nampanantena moa ny Ministra fa hiezaka hatrany ny fitondram-panjakana hanampy sy hanavao ireo toeram-panofanana ireo ho entina hatrany hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana.

👉 Vokatr’izany dia nanolotra tafo ho entina hanarenana ny CFP Ampanefena ramatoa Ministra izay azo tamin’ny fifanarahana nisy teo amin’ny orinasa Metallikit izay soloan’andriamatoa Fabrice DINS tena, tale misahana ny ara-tekinika.

🤝Anio 05 jolay no natolotry ny Ministra an’Andriamatoa solombavambahoaka EDIZAR voafidy tao Vohémar ireo fitaovana ireo, nanatrika izany ny Directeur du Patrimoine et de la Logistique ny METFP, sy ny Directeur Technique ny orinasa Metallikit

« Olo-mahay raha, tsy very mandeha »
©️ CABINET METFP/Juillet 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle