Programa Vonjeo ny Tsy An’Asa : 500 mianadahy mianakana no notolorana mari-panofanana

Notolarana mari-panofanana ireo 500 mianadahy mianaka nanaraka fiofanana tamin’ny sehatr’asa maro toy ny (fambolena, fiompiana, varotra, hay nahandro…) tao anatin’ilay antsoina hoe Programa Vonjeo ny Tsy An’asa, ny 01 jolay 2022 tao amin’ny Petit Amphi Complexe Scolaire Ampefiloha.

Ny Programa Vonjeo ny Tsy An’Asa dia natao hanomezana fanofanana arak’asa ireo tsy an’asa mba hahafahan’izy ireo miditra eo amin’ny sehatry ny Asa avy hatrany. Mizara sokajy telo (3) ny fiofanana :

  • Ny fiofanana fototra ho an’ny olona hitady asa
  • Ny fanomezana tantsoroka ireo olona tsy an’asa
  • Ny fanofanana ireo mpampiofana

Marihina fa mpilatsaka an-tsitrapo manodidina 300 no mpampiofana ao anatin’ity tetikasa ity izay avy amin’ny fikambanana sy sehatra tsy miankina maro manerana ny Nosy, ary maharitra enim-bolana ny fiofanana.

Hatramin’ny nanombohan’ny tetik’asa ny taona 2019 dia efa 3430 ireo nisitraka fiofanana manerana ny faritra enina (6)eto Madagasikara : Amoron’Imania, Analamanga, Atsinanana, Boeny, Itasy ary Sofia ka 868 no efa tafiditra amin’ny sehatry ny asa.

Nanambara ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella nandritry ny lahateniny fa : « ny tetik’asa fampiofanana toy izao dia tafiditra tsara ao anatin’ny vinan’ny fitondram-panjakana izay voarakitra ao amin’ny velirano – 4 « Fanabeazana ho an’ny rehetra » sy ny velirano – 6 « Asa mendrika ho an’ny rehetra ».
Mpiara-miombon’antoka amin’ity tetikasa ity ny Accès Banque, ny Orange Madagascar ary ny fikambanana Silamo Malagasy.

« Olo-mahay raha, tsy very mandeha »
SCOM METFP 2022.

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle