Valim-panadinana Baccalauréat de l’Enseignement Technique

⬆️⬆️Ny fampianarana tekinika sy ny fanofanana arak’asa no nahazo salan’isa tsara indrindra ny amin’ny voka-panadinana bakalorea amin’ny akapobeny. Mihoatra ny 60% avokoa ny vokatra azo teo amin’ireo renin-vohim-paritany enina manerana ny nosy.

📌📌Antananarivo : 71,20%
Antsiranana : 77,23%
Fianarantsoa : 60,06%
Mahajanga: 69,91%
Toamasina: 71,17%
Toliara : 85,54%

🙏🏼🙏🏼Ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa, eo ambany fitarihan-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, dia faly miarahaba ireo mpiadina afaka fanadinana rehetra manerana ny nosy ary mankahery ireo mbola mamerin-taona.
Mankasitraka indrindra anareo mpiadina, ireo Ray amandreny, ny mpampiofana ary ireo rehetra nikirakira sy nanotontosa ny fanadinana.
Mirary soa ireo mpiofana rehetra hananana fahazotona hatrany satria ny « Olo-mahay raha, tsy very mandeha »

©️CELCOM METFP/Aogositra 2022
Loharano: MESUPRES

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle