Mandritry ny telo andro no hanatanterahana ny atrikasa hanomanana ny fidiran’ireo ivon-toeram-panofanana (CFP sy CFPF) manarenana ny Nosy, izay atao ao amin’ny Lycée Technique Professionnel Alarobia. Mandray anjara amin’izany ireo lehiben’ny ivon-toeram-panofanana miisa 56 sy ny lehiben’ny sampan-draharahan’ny Fitaliavam-paritry ny ETFP miisa 19. لعبة بلاك جاك مجانية
« Zava-dehiba tokoa izany fanomanana izao satria dia hoenti-manantanteraka ny Velirano 4 sy 6 – Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, dia ny fanatsarana ny kalitaon’ny Fanofanana sy ny Fampianarana Teknika eto amin’ny Firenena » hoy Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella – Ministry ny ETFP, nandritry ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa.
Tanjona amin’izao atrikasa izao ny hikarohana ireo fomba rehetra hoenti-manatsara ny kalitaon’ny fanofanana ahafahana mamaly ny filan’ny tsenan’ny asa, ny faritra ary ny mpiofana. العاب مربحة على النت
Ho dinihana manokana amin’ity atrikasa ity ihany koa ny salan-taonan’ireo tanora misitraka fanofanana arak’asa, mba hisorohana ny fampiasana ny ankizy tsy ampy taona.
Namporisika ireo lehiben’ny ivon-toeram-panofanana Ramatoa Ministra, amin’ny fitondrana ny anjara-birikin’izy ireo ho fanatsarana ny tontolon’ny fanofanana, sy ny fahaiza-manaon’ireo mpampiofana mandritry ny atrikasa izay hifarana ny alakamisy 09 septembra 2021. كيف تربح المال من الانترنت مجاناً
Nampatsahiviny ihany koa fa hitohy hatrany ny ezaky ny Ministera eo amin’ny Fanatsàrana ny rafitra sy ny vontoatim-panofanana. Izay iarahana amin’ny ireo sehatra tsy miankina sy ireo mpiaraka miombon’antoka (PTF) ary ireo Vondrom-pahefàna isam-paritra (CTD).
« Olo-mahay raha tsy very mandeha »
©️ SCOM METFP/Septembre 2021