✅Tontosoina eto anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny 17 sy 18 novambra 2022 ny atrikasa ho famaritana ny rafi-piaraha-miasa ahafahan’ny HI miditra ao anatin’ny Politika nasionalin’ny fampananan’asa sy ny fanofanana arak’asa (PNEFP) hanao tan-tsoroka ho an’ny Ministera amin’ny fampidirana ny fampiatina (inclusion) ao anatin’izay politika izay.
➡Mandritra io roa andro io ihany koa no hamaritana sy handrindrana ireo asa rehetra tokony hatao.
Tetikasa iray eo anivon’ny Humanité Inclusion ny Manonga ary efa nisy ny dingana voalohany niarahana tamin’ny ministera hafa. Ankehitriny dia miditra amin’ny dingana faharoa ny tetikasa Manonga ary nitarina amin’ny fanofanana arak’asa ahitana ny “continuum éducation inclusive formation professionnelle”.
🎯Ny Manonga II dia natao ho an’ireo zaza, ankizy ary tanora manana fahasembanana eny anivon’ny ivon-toeram-panofanana sy sekolim-panjakana. Ny tanjona amin’ity tetikasa ity dia ny hisian’ny fitohizan’ny fianarana ho an’ireo vondron’olona marefo ireo ary ny ray aman-drenin’izy ireo ihany koa dia mahazo fanofanana. Faritra roa no misitraka ny tetikasa dia Antsinanana sy Analanjirofo.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ novembre 2022