➡️➡️Tonga nitsidika ny CFP Ambohidratrimo Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, notronin’ireo mpiara-miasa aminy ny zoma 30 septambra 2022.
✅✅Izao fitsidihana izao dia nahafahan-dRamatoa Ministra nijery ifotony ny fivoaran’ny ivon-toeram-panofanana tao aorian’ny rivo-doza ny taona lasa teo. Nandritra io fotoana io ihany koa no nijerena ireo fitaovana avy amin’ny tetik’asa BEAR II, izay natokana ho an’ny asa « Patronnier gradeur », « Agent de méthode » ary « Chef de chaine ».
💯💯Azo lazaina fa tsy mena mitaha amin’ireo fitaovana fampiasa eny anivon’ireo orinasa vaventy ireto fitaovana mikasika ny informatika sy ny fitaovana indostrialy ireto. bwin شركة Afaka hifaninana tsara eo amin’ny tsenan’ny asa ireo mpiofana avy ao amin’ny CFP vokatra izao fampitaovana izao, satria dia mamaly ny fenitra ary ny kalitao takian’ny orinasa ireo fitaovana ireo.
🎯🎯Nambaran-dRamatoa Ministra fa ilaina ny fikajiana ireo fitaovana ireo fa indrindra ny tokony hananan’ny mpiofana tsirairay ny toe-tsaina matihanina sy mendrika hiatrehana ny asa. قواعد لعبة الروليت
⭐⭐Raitra sy manara-penitra ny fitaovana ary izany indrindra no mahatonga ny CFP Ambohidratrimo ho atao fitaratra sy tsara ho alaina tahaka ho an’ireo ivo-toeram-panofanana hafa misehatra eo amin’ny « Textile – Habillment » ary « Accessoires » (THA).
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️ CELCOM METFP/ septambra 2022