CFP Charpenterie de Marine Mahajanga : ivotoeram-panofanana miavaka

⏩⏩Ny taona 1953 no nijoroan’ny CFP Charpenterie de Marine ao Mahajanga. Ivotoeram-panofanana tokana misehatra amin’ny fanamboarana sambo, ka ny hazo no akora fototra nampiasaina tany am-piandohana, raha efa nosoloina tsikelikely « fibre de verre » izany ankehitriny vokatry ny fiaraha-miasa niaraka tamin’ny UNESCO.

✅✅76 no isan’ny mpiofana ao amin’ny CFP Charpenterie de Marine ka:

  • 40 ao amin’ny taona voalohany
  • 8 ao amin’ny taona faharoa

28 ao amin’ny taona fahatelo Mizara roa ny fiofanana:

  • composite en fibre de verre(AMB)
  • Charpenterie de Marine (FPI)

🎯🎯Mampiavaka ity ivotoeram_piofanana ity ny fahafahany mamokatra ireo fitaovam-pifamoivoizana an-dranomasina na an-dranomamy toy ny lakana, ny sambo ho ampiasain’ireo mpanjono, ary efa mampiasa ny asa tanana vitan’izy ireo ny amin’ny faritra Anosy sy Androy.

♻️♻️Zava-dehibe ho an’ity ivotoeram-panofanana ity ny fiarovana ny tontolo iainana ary anisany tanjona apetrak’izy ireo ny hampihenana sy ny hanafoanana ny fampiasana ny hazo ao anatin’ny sehatr’asa izay ataony.

♻️♻️Efa tafiditra tanteraka amin’ny fitandroana ny tontolo iainana sy ny fanodinana ny fako (recyclage) ho azo ampiasaina ihany koa izy ireo, toy ny fanangonana ireo tavoahangy plastika mba ho lasa fitaovana azo ampiasaina indray; anisan’izany ny fanamboarana ny « caisse de flotabilité », fitaovana natokana ho ampiasain’ny mpanjono mba hahafahan’izy ireo mitsingevana eny ambony rano raha sanatria tratran’ny loza.

⬆️⬆️Sehatra iray afaka manome asa ho an’ny tanora maro ao Mahajanga ity CFP Charpenterie de Marine ity araka ny nambaran’ny mpitantana.

« Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️ CELCOM METFP/ Octobre 2022

…………………

⏩⏩Le Centre de Formation Professionnelle Charpenterie de Marine a été créé à Mahajanga en 1953.
C’est le seul centre de formation impliqué dans la construction navale, qui utilise le bois comme principale composant. Avec l’évolution de la technologie, et par la collaboration avec l’UNESCO, le bois fut progressivement remplacé par la fibre de verre.

✅✅Actuellement, le CFP dispose de 76 apprenants repartis comme suit :

  • 40 en première année
  • 8 en deuxième année

28 en troisième année Quant à la spécialisation, elle est divisée en deux parties distinctes :

  • la composite fibre de verre pour l’Apprentissage aux Métiers de Base (AMB)
  • la Charpenterie Marine pour la Formation Professionnelle Initiale (FPI)

🎯🎯Le centre se distingue par ses savoir-faire sur la construction des pirogues, et bateaux à l’usage des pêcheurs, dont la Région Anosy et Androy ont déjà bénéficié de leur expertise en matière de formation des pêcheurs.

♻️♻️La protection de l’environnement est tout aussi important pour le centre, son objectif est de réduire et d’éliminer graduellement l’utilisation du bois dans la fabrication de pirogues. Il est également impliqué au recyclage de bouteilles en plastique pour en faire des caisses de flottabilité pour les navires.

⬆️⬆️Les formations disposées par le CFP permettent directement aux jeunes d’accéder à l’employabilité selon les dires du Directeur du Centre.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️ CELCOM METFP/ Octobre 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle