𝐕𝐢𝐭𝐚 𝐬𝐨𝐚𝐦𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟑-𝟐𝟎𝟐𝟒 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐤𝐧𝐢𝐤𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚𝐤’𝐚𝐬𝐚, rehefa avy niroso tamin’ny fanatanterahana ireo fanadinana isan-tsokanjiny ny ivon-toeram-panofanana sy lisea teknika manerana ny Nosy, izay nokarakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, izay efa nivaly avokoa, ary 𝐧𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐩𝐨 𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨. 𝐓𝐨𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐢𝐧𝐢𝐧𝐝𝐢𝐧𝐢𝐧𝐲 𝐦𝐢𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 :
Fifaninanana hidirana taona voalohany eny amin’ny LTP. Nahitana mpiadina 50 043 nitsinjara tamina foibe-panadinana miisa 183.
Fanadinana ahazoana ny Brevet d’Etudes Professionnelles (BEP) izay nahitana mpiadina miisa 10 625 ka 89 ny foibe-panadinana.
Fanadinana ahazoana ny Certificat de Fin d’Apprentissage (CFA), nahitana mpiadina 244 amina foibe-panadinana miisa 10.
Fanadinana ahazoana ny Certificat d’Aptitude Professionnelle (CAP) izay ahitana mpiadina miisa 1 417 mizara amina foibe-panadinana miisa 39.
𝐌𝐚𝐧𝐨𝐦𝐛𝐨𝐤𝐚 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐚𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚 𝟐𝟐 𝐣𝐨𝐥𝐚𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟒 𝐝𝐢𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐛𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨𝐫𝐞𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐤𝐧𝐢𝐤𝐚 𝐬𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚𝐤’𝐚𝐬𝐚.
Manao tantsoroka ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, izay tompon’ny fanomanana sy fikarakarana tanteraka ity fandinana bakalorea ity, ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanohanana arak’asa.
𝐍𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐤𝐧𝐢𝐤𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚𝐤’𝐚𝐬𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐚𝐫𝐲 𝐬𝐨𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐨𝐦𝐛𝐢𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐝𝐢𝐧𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 amin’ity fanadinana bakalorea ity, indrindra fa ireo mpiadina amin’ny bakalorea teknika.
“𝐎𝐥𝐨 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐲 𝐫𝐚𝐡𝐚, 𝐭𝐬𝐲 𝐯𝐞𝐫𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐞𝐡𝐚”