Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany faha 11 jona 2024 teto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa ny lasi-piofanana mikasika ny sehatr’asa amin’ny angovo azo havaozina avy amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro na ny “référentiel de formation en énergie solaire photovoltaïque”. Natolotra ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Ankoran’afo izany avy eo mba ahafahany manatanteraka ny tetikasa fampiofanana mifandraika amin’izany.
Nitarika ny lanona ny Sekretera Jeneralin’ny METFP, Andriamatoa Johary RALAIMAZAVA, natrehan’ny ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo, Andriamatoa Thierry ANDRIANTSOA, ary ireo mpiara-miombon’antoka avy ao amin’ny Coopération allemande (GIZ) sy ny IECD.
Ity lasi-piofanana ity no fenitra arahin’ny rehetra, na sehatra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, maniry ny hanofana sy manofana ny tanora malagasy amin’ny lafiny angovo azo havaozina avy amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro.
Natomboka tamin’ny volana janoary ny famolavolana azy ity niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ny Coopération Allemande (GIZ) sy ny IECD. Maro ny dingana narahana tamin’ny famolavolana azy. Marihina fa niarahana hatrany tamin’ireo matihanina amin’io sehatr’asa iray io izany. Tanjona ny ahafahana mametraka rafi-piofanana mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny filan’ny tsenan’ny asa.
Nomarihin’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy Fanofanana arak’asa fa nanomboka tamin’ny taona 60 dia efa napetraka ho fanohitry ny fampandrosoana ekonomika ny fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa. Toy izany koa ny resaka angovo izay tsy afaka misaraka amin’ny fampandrosoana. Fampananan’asa avy hatrany ny tanjona iraisana ary hampitombo ny tahan’ny ireo afaka hiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Noho izany dia tsy afa-misaraka ny minisitera roa tonta amin’ny sehatry ny fanofanana sy ny angovo.
Ho sokafana amin’ny lisea teknika roa (LTP Alarobia sy LTP Toliara) ary hitarina any amin’ny faritra hafa avy eo ny lalam-piofanana angovo azo havaozina. Izany dia ao anatin’ny fametrahana sy fampiharana ny lasi-piofanana mikasika ny sehatr’asa angovo azo havaozina avy amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro na “référentiel de formation en énergie solaire photovoltaïque”. Mahatratra hatrany amin’ny 500 ireo tanora vinaina hahazo fiofanana mikasila izany angovo azo havaozina izany.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
GIZ PERER
Ministère de l’Énergie et des Hydrocarbures