Tafiditra indrindra amin’ny velirano faha 4 napetraky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fanomezan-danja ny fampianarana sy ny fanofanana. Antoka hahatontosa izany anefa ny toeram-pianarana madio sy mendrika ka izany indrindra no nahatonga ny fanarenana ny Lysea Teknika eto Morondava. Ny Governoran’ny Faritra Menabe no niantoka tanteraka ny fanarenana ny lysea teknika ny taona 2021.
Ny LTP Morondava moa dia ny taona 1987 no nitsangana ary TEFISO (Teknika Fibeazana Sosialista) no niandohany ka nahitana ny sampam-panofanana ouvrage bois sy charpenterie marine. Teo anelanelan’ny 1993-1995 izy niova ho CFP 1, ny 1995-2010 indray dia niova ho CFP 2. Ny taona 2010 hatram’izao no nandray ny anarana LTP ka roa ny sampam-panofanana misy dia gestion et comptabilité sy construction navale. Miisa 108 ny mpiofana ao amin’ny LTP Morondava ankehitriny ary
Araka ny fangatahan’ny mponina ao an-toerana dia hisy koa ny sampam-panofanana cuisine sy patisserie manomboka amin’ny taom-pianarana 2023-2024.
Misy koa ireo orinasa izay miara-miasa amin’ny LTP toy ny POLYMA Madagascar izay orinasa sangany sy manana ny traikefa feno amin’ny fanamboarana ny sambo vita amin’ny “fibre de verre”. Eo ihany koa ny Fédération Malagasy d’Aviron izay efa nanao sonia fiaraha-miasa niaraka tamin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny volana novambra 2022. Ny fiaraha-miasa moa dia natao mba hahafahan’ireo tanora mpiofana ao amin’ny LTP Morondava manamboatra irony sambo antsoina hoe “AVIRON” izay entina manao fifaninanana an-dranomasina na an-dranomamy.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ Avril 2023
Réhabilitation du LTP Morondava
L’importance de l’éducation et de la formation fait partie du Velirano 4 établi par le Président Andry RAJOELINA. Cependant, un environnement scolaire propre et décent doit être garant de cela. C’est dans cette optique que le Gouverneur de la région Menabe a réhabilité dans son ensemble le Lycée Technique et Professionnelle de Morondava en 2021.
Au tout début, le lycée a été dénommé TEFISO (Teknika Fibeazana Sosialista) en 1987. Deux filières ont été proposées dont l’ouvrage bois et la charpenterie marine. De 1993 à 1995, il a porté le nom de CFP 1, puis CFP 2 de 1995 à 2010. Depuis 2010 jusqu’à présent le lycée est devenu LTP Morondava avec comme filière la gestion et comptabilité et la construction navale. Actuellement, le LTP dispose de 108 apprenants. A la rentrée de l’année scolaire 2023-2024, avec une forte demande locale, la filière Cuisine et pâtisserie sera ouverte en vue de la promotion de l’établissement et en répondant aux besoins de la région.
Parmi les partenaires du LTP figure la société POLYMA Madagascar, une entreprise reconnue et pionnier dans la construction et la réparation de bateaux en fibre de verre.
Outre cela, le METFP a récemment signé une convention de partenariat avec la Fédération Malagasy d’aviron (novembre 2022). Grâce à ce partenariat, les jeunes apprenants pourront construire des bateaux de compétition en mer ou en eau douce dénommé « Aviron ».
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ avril 2023